You are currently viewing Fivoriamben’ny CNTTM ny 09 febroary 2024

Fivoriamben’ny CNTTM ny 09 febroary 2024

Tontosaina androany 09 febroary 2024 eto amin’ny « Hôtel Le Combava Ambodihady » ny fivoriambe (Assemblée Générale) fanokafana ara-pomba ofisialy ny fotoam-piasana vaovao ny CNTTM, na ny « Conseil National Tripartite du Travail Maritime ».
Fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana vaovao, fanazavana ny foto-pisian’ny CNTTM araka ny didim-panjakana nandrafetana azy sy ny fomba fiasany amin’ny akapobeany, ary fanaovana tatitra ireo asa natao nandritra ny taom-piasana voalohany no hifampizarana mandritra izao fivoriambe izao.
Raha tsiahivina moa ny CNTTM dia sehatra iray ivondronan’ireo Sampandraharaham-panjakana, fikambanan’ny mpampiasa ary ny sendikan’ny mpiasa amin’ny sehatra an-dranomasina. Ireo firenena rehetra mpikambana eo anivon’ny OIT, na Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny asa, dia entanina hanangana sehatra telo lafy ahitana ny solontenam-panjakana, ny mpampiasa ary koa ny mpiasa mba handinika sy hamolavola ireo tolo-kevitra tokony hanatsarana ny fenitra mifehy ny asan-tsambo izay handrafetana ireo lalàna mifehy ny asa an-dranomasina.
Marihina fa mpikambana eo anivon’ny OIT i Madagasikara ary vao nankatoa ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny asa an-dranomasina (MLC 2006) ny firenena Malagasy ny 15 jiona 2023. Ity MLC 2006 ity dia mametraka ny anjara toerana lehibe sahanin’ny CNTTM amin’ny fandinihina ireo fepetra manokana ampidirina ao anatin’ireo lalàna mifehy ny asa an-dranomasina.
Anisan’ny ezaka lehibe mbola miandry an’i Madagasikara ny fijerena manokana ireo mpiasa eny anivon’ny sambo mpanjono. Mbola tsy nankatoa ny lalana iraisam-pirenena C.188 mikasika ny fiarovana ny farafahakelin’ny zon’ny mpanjono eo am-panatanterahina ny asany isika eto Madagasikara.
Mitohy ny ezaka amin’ny lafiny rehetra hampandrosoana sy hampivoarana ary ho fampiharana ny politikampirenena eo amin’ny sehatry ny asa, ny fiofanana, ny toe-piainana sy ny fiahiana ny mpiasa, ny tantsambo sy ny mpanjono avy amin’ny alalan’ny fampivondronana sy fanangonana ireo tolo-kevitra hoentin’ireo mpiaramiombonantoka amin’ny sehatra an-dranomasina rehetra mba hanatsarana ny toe-piainan’ny tantsambo.
Araka izany dia misokatra hatrany ny varavaran’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famatarana ny Toetrandro, izay misahana ny asa an-dranomasina araka ny lalàna velona eto Madagasaikara, sy ny APMF ary ny CNTTM amin’ireo tolo-kevitra tokony hifampidinihana, hifanakalozan-kevitra, hifampitam-baovao mikasika ny toe-javatra iainan’ireo olona izay miankina amin’ny ranomasina ny fivelomany
ho tombotsoan’ny be sy ny maro.